ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Ho apetraka tsy ho ela ny komity mpitantana rano ao amin’ny fokontany Antanetibe

Tontosa tamin’ny alakamisy teo ny fivoriana niarahana tamin’ireo solo-tenan’ny mpanjifa sy mpitantana ireo “borne fontaine” ao amin’ny fokontany Antanetibe, kaominina Ambohimanambola. Tapaka nandritra izany fa hisy ny fanatsarana mahasika ny fitantanana ny rano ao amin’ny fokontany, ary ho apetraka tsy ho ela ihany koa ny komitin’ny rano ao an-toerana, araka ny voalaza.

“Mpanjifa rano sy mpitantanana ny borne fontaine efa diso fanantenana ary tsy nanantena intsony ny hisitraka rano avy amin’ny foto-drafitr’asa raha ny teto amin’ny fokontany. Hita sy tsapa izany teny ampiandohan’ny fivoriana. Rehefa nomena ny fanazavana mahakasika ny tsy fisiana fampisitrahana rano tao anaty volana maro sy naroso azy ireo ireo fanatsarana ary fepetra manaraka izany dia tapaka fa hatsangana ny komitin’ny Rano ho an’ny fokontany antanetibe” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Ho fampisitrahana rano lovainjafy no tanjona manomboka izao. Araky ny fanazavana nomen’ny mpitantana nomena fahefana hitantana ny fotodrafitrasa kaominaly dia 15 andro aorian’ny fanitsiana sy fanatsarana ataon’ny servisy rano fanadiovana fidiovana no daty fetra hamerenana ny rano. Azo atao ny manao fangatahana hampiditra rano isan-tokantrano aorian’ny famerenana ny rano” hoy hatrany ny fanazavana.

Miezaka hatrany ny mpitantana ny kaominina amin’ny fampisitrahana rano fisotro madio ho an’ny rehetra isam-pokontany. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fampanarahana fenitra ireo mpitantana ka misy ny taratasy fifanarahana ao anatin’izany. Ankoatra ny ao Antanetibe izao moa, dia hisokatra tsy ho ela ihany koa ny biraon’ny mpitantana rano amin’ny fokontany Ambohimanambola Firaisana.

Laisser un commentaire