ConseilTsidika

MVOLA: Manohana ireo mpandraharaha amin’ny fampiasam-bola

 Iza moa no tsy mbola mahafanatantra bna mahalala ny lazan’izany atao hoe Mvola izany amin’izao fotoana izao. Ny Mvola moa dia tsy inona fa orinasa iray miara miasa amin’ny orinasam-pifandraisana Telma, izay misahana manokana ny lafin’ny fandefasana sy fandraisana vola amin’ny alalan’ny finday.

Nanomboka ny taona 2010 no efa nisy sy azo nampiasana ny Mvola. Maro tokoa ny fiovana nentiny ary hita taratara mivaingana izany mandrak’ankehitriny satria tsy misy izay tsy mampiasa izany ny ankamaroan’ny olona eto Madagasikara ka hatrany ivelany.

Maro ireo tolotra hita ao ary manamora ny andavan’andron’ny olona izany. Tsy mila misahirana intsony raha handefa vola, na hanao petra-bola, na hitahiry vola ny mpanjifa. Efa miara-miasa amin’ireo banky fitahirizam-bola ihany koa ny Mvola amin’izao fotoana ary azo handoavana ireo karazana faktiora amin’ny orinasa isan-karazany na ihany koa hiantsenana.

Ankoatra izay, tombony amin’ny fampiasana ny Mvola ihany, afaka handefasana na hametrahana vola hatramin’ny 20 tapitrisa ariary ao aminy, izay tena mety ho an’ireo mpandraharaha tokoa.

An-taonany maro no efa nisy ny Mvola, anisan’ny sangany ary voalohany izy raha eto Madagasikarana. Mvola Mora, haingana, azo antoka, io moa ny teny filamatry ny Mvola.

Laisser un commentaire