ActualitésTsidika

Alasora: Miverina indray ny fahatapahan-drano

Miverina tapaka indray ny rano ao amin’ny fokontany Miadana sy Alasora, ao amin’ny kaominina Alasora, omaly maraina. Tsy mitsahatra miandrandra vahaolana maharitra avy amin’ny tomponadraikitra hatrany ireo mponina manoloana izany.

“Tsy ampy intsony ny vonjy tavanandro manoloana ny tsy fisiana rano ety Alasora ity. Ekena ireo vahaolana amin’ny fametrahana siniben-drano ety an-toerana saingy tsy ampy ho an’ny filàn’ny mponina izany, ka vahaolana maharitra no tokony apetraky ny tomponandraikitra” hoy i Solo, mponina ao Alasora.

“Tsy fantatra mazava mihitsy izay tena olana mahatonga ny tsy fisiana rano ety an-toerana, tsy misy ny fanazavana mazava nentin’ny jirama. Ny angatahana dia ny vahaolana avy amin’ny tomponandraikitry ny kaominina, hanao tetik’asa mahakasika ny fisitrahana rano fotsiny satria anisan’ny laharam-pahamehana ho an’ny fampandrosoana ihany koa izany” hoy i Hery, tompona tsenam-barotra iray.

Ny rano no fototry ny aina, ary tsy afa-miaina raha tsy misy rano ny mponina. Mitaraina ireo mponina manoloana izao olana izany satria tsy voahaja ny zon’izy ireo dia ny hisitraka rano fisotro madio. Mangataka, araka izany, izy ireo ny tokony hametrahana vahaolana maharitra manoloana izany.

Laisser un commentaire