Anjozorobe : Voasambotra ireo jiolahy mpaka an-keriny
Manao ny asany hatrany ireo mpitandro ny filaminana amin’ny fampanjakana ny fandrim-pahalemana, na dia eo aza ny krizy ara-pahasalamana lalovan’ny firenena. Noho ny ezaka nataon’izy ireo sy ny fiaraha-miasa amin’ireo vahoaka dia tratra ireo 14 lahy tompon’antoka tamin’ny fankana an-keriny ireo olona 9 tao Anjozorobe. Tao anatin’ireo nandray anjara mivantana sy ankolaka tamina fanafihana indroa miantoana tao Anjozorobe moa izy ireto ary anisany tamin’ireo nanao fanafihana nahafatesana tanora antsoina hoe zazamena anakiroa. Tra-tehaka niaraka tamin’izy ireo ny tovolahikely 13 taona mpiara-miasa akaiky amin’ilay jiolahy raindahiny, Del kely, izay voalaza fa atidoha nikotrika iny fakana an-keriny sy fakana takalon’aina iny. Efa eo ampelan-tanan’ny manam-pahefana moa izy 14 mirahalahy ireto amin’izao fotoana ary ho atolotra ny fitsarana. Raha ireo manam-pahefana nampidininy an-dalambe isaky ny misy fitokonana sy ny tariny ireo ve no aparitaka manerana ny nosy tsy ho foana na farafaharatsiny mihena ny asan-dahalo eto Madagasikara ? Toa nanjary tany lavitra andriana ireo mponina ivelan’Antananarivo izay mitaraina amin’ny tsy fandrim-pahalemana.
Ally Herisoananahary
