ActualitésTsidika

Anjeva : Nandalo teny amin’ny fokontany Ankadiefajoro ny ben’ny tanàna

Mitohy hatrany ny hetsika ben’ny tanàna mitety vohitra, ataon’ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Anjeva gara. Ny herinandro teo, tao amin’ny fokontany Ankadiefajoro indray no notsidihana.

« Tahaka ireo fanao isaky ny fitsidihana isaky ny fokontany, misy ny fifampiresahana sy fifanakalozan-kevitra amin’ireo vahoaka teny ifotony. Nandritra ny fivoriambem-pokonolona teto an-toerana ihany koa, no nametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny filoha lefitra vaovao hanampy ny filoham-pokontany » hoy ny ben’ny tanàna ao Anjeva.

« Ankoatra ireo napetraka ireo rafi-panjakana hanampy amin’ny fitantanana ny fokontany, notolorana ny takelaka famantarana ny fivoahan’ny mpianatra ihany koa ny EPP ao an-toerana ary nisy ny fanolorana jiro lampadaire miisa 12 ho an’ny vohitra Sahaseva, Soanarivo, Ambatomirahavavy, Antanambao, Ambomahiratra, Ankadivory. An-dalam-pametahana kosa ny jiro 10 hafa ho an’ny vohitra ambiny » hoy hatrany ny fanazavana.

Mbola maro ireo asa fampandrosoana ho atao ao amin’ity fokontany ity, raha ny voalaza hatrany. Anisan’ny nampahafantarina ny mponina nandritra izany fitsidihana izany ireo tetik’asa ho tanterahina ao an-toerana mandritra ity taona ity.

Laisser un commentaire