ActualitésTsidika

Toamasina : Resaka tongomalady ve dia mahafaty olona ?  

Mitaky ny hisamborana farak’izay haingana an’ilay tovolahy mpianatra namono an’i Fanahia ny mpianatra ao amin’ny Triangle du Sud. Nanano hetsika nisalorana fehiloha mena sy lamba mainty ireo mpianatra.

Raha tsiahivina ny zava-nitranga, lehilahy iray no voatondro fa nangalatra bisikileta ny 9 febroary lasa teo, tao amin’ny tranon’ny mpianatra ao Barikadimy. Tezitra ny mpianatra ka namono nandratra ity tovolahy ary nitarika hatramin’ny fahafatesany mihitsy aza izany. Fantatra anefa fa mpianatra ao amin’ny Oniversiten’i Toamasina ity namoy ny ainy ity. I Fanahia no anarany, ary i Ernest na i « Fer Rond » no nambara fa namono azy tamin’ny vy.

« Matetika no nahenoana an’i « Fer Rond » mitarika mpianatra handaroka sy hamono izay mpangalatra tratra ao Barikadimy » hoy ny mpianatra iray ao Toamasina. « Efa mandray ny andraikiny ny fitantanana ny Oniversite sy ny fitondram-panjakana rehetra voakasik’iny raharaha iny. Entanina ny mpianatra sy ireo mpanao fihetsiketsehana mba hitony » hoy ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina.

« Atao am-pitoniana sy am-pahendrena hatrany ny hetsika rehetra. Tsy hisy velively ny zavatra simba » hoy ireto mpanao fihetsiketsehana. Niantso ny Triangle du Sud amin’ny Université 5 ihany koa izy ireo mba hiray feo amin’ny mpianatra Triangle du Sud Toamasina. Hirariana ny hilaminan’ny tanànan’i Toamasina.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire