ActualitésTsidika

Antsohihy : Nasiam-pandaminana ny Bazary Be

Mahazo vahana tato ho ato ny fivarotana eny amin’ny arabe. Eo ihany koa ny mpangarom-paosy. Nandeha ifotony tamin’ny alalan’ny Polisy Monisipaly ny fiadidina ny tanànan’Antsohihy nandamina ny Bazary Be.

« Niresaka am-panajana tamin’ireo mpivarotra anana izahay mba hanaraka tsara ny sisin-dalana makany Farafangahely izy ireo. Ireo mpivarotra sasany kosa nampanarahina sisin-dalana eo amin’ny Hôtel Centrale taloha. Izany no natao mba hisian’ny lalana ahafahana mivezivezy eto an-tsenan’ny Bazary Be » hoy ny lehiben’ireo Polisy Monisipaly ao Antsohihy. « Mahatsiaro manana mpiahy izahay ankehitriny. Mahatoky ireo tompon’andraikitra ihany koa mba hiaro anay amin’ity toerana natokana ho anay ity. Miditra an-keriny mantsy ireo mpivarotra tompon-tanana » hoy ireo tantsaha mpivarotra anana avy any amin’ny tanàna madinika manodidina Antsohihy. « Izay vao fantatray fa misy tompon’andraikitra tokoa eto Antsohihy. Mahafinaritra ny miantsena ankehitriny » hoy i Larissa, mpiantsena.

Tsy hijanona ny hetsika hisian’ny filaminana tahaka izao ao Antsohihy. Tsiahivina fa nirohitra nivarotra teo anivon’ny Arabe ireo tantsaha mpivarotra anana‚ rehefa nosakanana ny fandaminana nataon’ny Ben’ny tanàna ny taona 2020.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire