ActualitésTsidika

Fanabeazana : Tonga nijery ireo sekoly rava any Mananjary ny Ministera

Tonga ao Mananjary faritra Vatovavy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Nitsidika ireo sekoly ravan’ny rivo-doza Batsirai izy ireo.

« Tsy niandry ela fa avy hatrany dia nitsidika ny EPP Plateau de la milice, ny CEG Mananjary ary ny lycée Justin Manambelona izahay, niaraka tamin’ireo manam-pahefana eto an-toerana » hoy ny delegasiona avy ao amin’ny Minsitera. « Tanjona ny hijerena ny fomba hanarenana ireo sekoly simba vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Batsirai. Mila fanarenana ny sekoly mba hiverenan’ny fampianarana farak’izay haingana » hoy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle. « Isaorana ny Ministera tsy nanao ambanin-javatra ny taty Mananjary. Vonona hifanome tanana ihany koa izahay amin’ny fanarenana ny tontolon’ny fanabeazana » hoy ny mpitondra fanjakana voafidy tany an-toerana.

Mila fanarenana haingana tokoa ireo sekoly simba sy rava. Hirariana ny fanafainganana ny fiaraha-miasa mba hiverenan’ny fampianarana. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire