ActualitésTsidika

Alasora : Tratra ireo mpitondra rongony

Tra-tehaka tao Alasora ireo lehilahy miisa efatra nitondra fonosana rongony 400 sy basy « fusil de chasse artisanale calibre 12 ». Miaramila vao miana-draharaha sy manana ny grady kaporaly ny iray amin’izy ireo.

« Ny mpitandro filaminana eo amin’ny kaomisarian’ny filaminam-bahoaka eto amin’ny kaominina Alasora no nahatratra azy ireo » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. « Efa ela ity miaramila iray ity no niray tsikombakomba tamin’ny resaka zava-mahadomelina tahaka izao. Androany vao tena tratra izy » hoy ny mpitandro filaminana ao amin’ny kaomisaria Alasora. Efa eo am-pelantanan’ny mpitandro ny filaminana izy ireo ankehitriny.

Mitohy hatrany ny fampandriana fahalemana ataon’ireo tompon’andraikitra misahana izany ao Alasora.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire