ActualitésTsidika

Antsohihy : Niravona ny disadisa tamin’ny mpamily fiara karetsaka taorian’ny fifampiresahana

Tezitra amin’ny lehiben’ny Kaomisaria ao Antsohihy ireo mpamily fiara karetsaka ao an-toerana. Nihaona tamin’ny Talem-paritry ny filaminam-bahoaka ireo sendikan’ny mpamily Taxi ireo, nitady vahaolana sy ny marimaritr’iraisana.

« Feno ny kapoakanay. Efa tsy rariny intsony ny ataon’ny kaomisera‚ lehiben’ny kaomisaria eto Antsohihy. Ankoatra ny fanamparam-pahefana amin’ny fitazomana olona izay tsy nanao inona azy akory. Zary fahazarana ho azy ny mampihorohoro sy mandrahona ny hampiditra fourrière ny fiaranay. Tsy eken’io lehiben’ny kaomisaria io ny fampidinana sy fakana olona mandeha na mijanona ankoatra ny amin’ireo toerana voatokana; Ny tanàna anefa mbola mikorontana sy tery. Izahay ihany koa manenjika volan’olona » hoy ireo mpamily Taxi ville ao Antsohihy.

« Betsaka ny tsy fanarahan-dalàna misy sy fitakiana tombontsoa amin’ny fandikan-dàlana ataon’ireo mpamily Taxi ville eto Antsohihy. Manampy trotraka izany ny tsy fahampian’ny fahalalan’ny sasany amin’izy ireo. Hisy fampiofanana sy fampianarana mba hialana amin’izany, izay ny tenako no hitarika izany » hoy ny Talem-paritry ny filaminam-bahoaka, Moratamby Roger. « Efa vitanay ao ny panneau de signalisation. Omena alalana handeha hatreo Andilambe‚ tsy mila maka fahazahoan-dalana mivoaka avy amin’ny kaominina, ireo taxi ville. Izany dia ho fitsinjovana azy ireo sy ireo mpianatry oniversite ary ireo marary mila fitsaboana ao Andilambe. Hisy ny fandaminana atao momba ireo toerana azo hijanona eto Antsohihy » hoy ny ben’ny tanàna ao Antsohihy, Nasiray Ali.

Momba ireo fitarainana voaray kosa dia tsy misy olona ambonin’ny lalàna na mpitandro filaminana na Sivily. Ho sokafana ny fanadihadiana momba izany ary handraisana fepetra avy hatrany. Niravona noho izany ny disadisa taorian’ny fifampiresahana. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire