ActualitésTsidika

Soamanandrariny Ambohimangakely : Ravan’ny zandary ny asan-jiolahy

Andian-jiolahy miisa 7 nisaron-tava nikasa hanafika tokantrano iray tao Ambavahady Soamanandrariny no tra-tehaky ny Zandary. Nikasa ny hianika tamboho izy ireo izao tratran’ny Zandary mpanao fisafoana izao ny 15 febroary lasa teo tokony ho tamin’ny 1 ora maraina.

« Niparitaka nanositra ireto jilolahy vao naheno anay. Ny iray tamin’izy ireo kosa nikasa ny hampiasa ny basy teny an-tanany. Nanondro izany taminay. Tsy nahatifitra anefa izy noho ny tsy fahatomombanan’ny basiny. Voatery nampiasa ny fitaovana tety aminay izahay » hoy ny Zandary avy ao amin’ny Zana-tobim-paritra Soamanandrariny. Voan’ny bala teo amin’ny kibon’ilay jiolahy saika hitifitra sy ny tendany havia. Tsy tana intsony ny ainy na dia efa nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana aza.

Basy vita gasy sy bala 2, sabatra sy saro-tava 2 ary fitaovana famakian-trano « barre à pince » sy « tourne vis » no teny aminy. Tsy mitsitsitsitsy intsony ny Zandarimaria manoloana ny asan-jiolahy, izay efa mapikaikaika ny vahoaka na atoandro na alina. Efa manao hetsika manokana ihany koa manoloana ny asa ratsy eto amin’ny firenena.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire