ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny fiofanana rehetra ao amin’ny BTC

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny fiofanana rehetra ao amin’ny BTC Ambohimangakely amin’izao fotoana izao. Raha tsiahivina, mandritra ity volana oktobra ity dia maimaimpoana avokoa ireo fampianarana eo amin’ireo taranja rehetra misy ao amin’ny BTC. Azon’ireo mpianatra avy hatrany ny manohy ny fianarana sy fiofanana aorin’izay satria maharitra telo volana ny fiofanana misy ao an-toerana.

« Mbola mitohy, mandray ireo mpianatra na tanora liana, te hanaraka fampiofanana hatrany ny ato amin’ny BTC.  Efa misy ireo mpampianatra voatokana handray ireo mpianatra mandritra izany ary ny votoatin’ny fampiofanana (module) dia miova isam-bolana » hoy i Tata, tomponandraikitra ao amin’ny BTC.

« Ankoatra ny fampiofanana maimaim-poana izay omena ho an’ny iray volana voalohany, mirary ny saram-pianarana ho an’ireo fiofanana rehetra kanefa ireo mpianatra na mpiofana dia mahazo fampianarana feno ary zaraina mari-pahaizana (certificat) rehefa vita fiofanana » hoy hatrany ny fanazavana.

Ho an’ireo tanora izay te hianatra asa moa dia anisan’ny hahaizana sy afaka hakana traik’efa ny fampianarana izay misy ao an-toerana. Misy ao avokoa na ny resaka tefy vy, na lakozia na fianarana informatique sy teny vahiny ho an’ireo izay liana amin’izany.

Laisser un commentaire