ActualitésTsidika

Zon’olombelona : Tokony hanana alalana handray fanapahan-kevitra ny vehivavy

Ao anatin’ireo firenena manana ny lalam-panorenany amin’ny fananan’ny tsirairay zo handray andraikitra sy hanapak’evitra ny firenena Malagasy. Efa nampitoviana ny Malagasy rehetra tao anatin’izany na ireo lehilahy na ireo vehivavy. Araka ny fivorian’ireo antenimieram-pirenena dia voalaza indray fa tsy mifanaraka amin’ny lalam-panorenana misy eto anivon’ny firenena indray ny mahakasika ireo vehivavy mandray andraikitra amin’ny fitantanana amin’ny asam-panjakana.

Nambara nandritra izany fa tsy mahazo mitana andraikitra amin’ny fanatanterahana ny fifidianana sy ny fanomezan-dalàna amin’ny asam-panjakana isan-karazany indray ny vehivavy. « Afaka mifidy izy ireo, afaka fidiana ihany koa fa tsy mahazo manome andraikitra amin’ny asam-panjakana sasany, anjaran’ny mpanao lalàna ny mametraka ireo ho mpiasa hiantsorohany », hoy ny mpahay lalàna iray. Entiny hanazana izany dia azon’ireo vehivavy hatao ohatra ny ho lasa sefo distrika saingy ireo ben’ny tanàna sy ireo sefom-pokontany ao aminy dia izay voatendrin’ny lehilahy iray ohatra hoe governora no mahazo milaza ny andraikiny. Toa manao ankilabao ireo vehivavy ihany anefa izany, « angaha moa tsy efa miralenta ny eto anivon’ny firenena no miverina amin’izany indray fa tsy hoe ny fahaizan’ny tsirtairay ve no hijerena izany », hoy i Tiavina, mpanara-baovao.

Mbola ambany ny tahan’ny fandraisan’ny vehivavy anjara amin’ny resaka politika sy toe-karena eto Madagasikara, ka izany indrindra no hiandrasana ny tompon’andraikitra eto anivon’ny firenena mba hanome toerana lehibe ny vehivavy, satria ny vehivavy mantsy « mahavita azy ».

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire