Ankadikely Ilafy : Ratsy ny lalana miakatra mankao amin’ny rova
Mampitaraina ireo mponina ao anatin’ny kaominina Ankadikely Ilafy ny faharatsin’ny ampahan-dalana miakatra amin’ny Rovan’ Ilafy. Tapitra niongotra avokoa ireo vato tamin’ny rari-vato natao tamin’ny lalana ary mamovoka sy manimba fiara ny lalana.
« Manahirana ny mampiasa io lalana io ary efa maro ireo fiara no vaky carter teo, isika ihany koa izao efa hiditra anatin’ny vanim-potoana ny fahavaratra, vao mainka hamotaka sy tsy azo handehanana eo » hoy i Haja, mponina ao Ankadikely Ilafy.
« Hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny fizahan-tany ny faharatsian’io lalana io. Maro ireo vahiny mpizaha-tany na mpianatra hanao fikarohana na mpitsidika ny rovan’Ilafy kanefa noho io lalana io mety hiteraka akony sy vokatra ratsy raha tsy misy ny fandraisana andraikitra » hoy i Narovana, mpianatra momba ny fizahan-tany.
Toerana manan-tantara, manintona mpizaha-tany sy mpitsika maro ny rovan’Ilafy. Mila jerena akaiky araka izany ny lalana ao an-toerana mba hisorohana ny mety ho voka-dratsy sy fihitaran’ny fahasimbana, izay toerana tokony hampidi-bola ho an’ny kaominina sy hampiroborobo ny lafin’ny fizahan-tany.
Manitra Ramanantsoa
