Thaïlande : Ambolena legioma ny tafon’ireo Taxi ao Bangkok
Kaoperativana Taxi iray no nanapa-kevitra ny hamboly legioma eo amin’ny tafon’ireo Taxi mitoby fotsiny ao an-toerana. Tsy misy mpamily intsony ny fiara noho ny tsy fiasan’ny mpandeha, noho ny valan’aretina sy ny fihiboana, hoy i Thapakorn Assawalertkun, lehiben’ny kaoperativana. Volavolaina ho lasa zaridaina sy fiompiana sahona ny toerana hoy izy ary hanampiana ara-tsakafo sy hanovana ny tebitebin-tsain’ireo mpamily Taxi lasa tsy an’asa ireo no tanjona amin’ity fambolena ity. Tsara ny vokatra raha ny fanazavany ary amidy ao an-tsena ao an-toerana izany ka ny vola azo dia omena ireo mpamily sahirana ireo.
