ActualitésTatitra

Royaume-Uni : Miha-mitombo ny « robot livreur » ao an-toerana

Efa 3 taona no nisy ity « robot livreur automatique » ity tao Milton Keynes, 80 kilometatra any avaratr’i Londres. Efa mahatratra 200 izy ankehitriny no mifamezivezy ao an-toerana ary efa nihitatra ao amin’ny tanànan’i Northampton. Hiakatra 500 ny isan’izy ireo raha ny fanazavana ary ho tonga ao Cambridge sy ao avaratr’i Angleterre.Ny valan’aretina no tena nampiroborobo ity fitaovana ity hoy i Andrew Curtis, lehiben’ny Starship Technologies ao Royaume-Uni, izay namolavola ity fitaovana ity. Tsy nampiena ny fangatahana hoy izy ny fitonian’ny valan’aretina ary mahavita « livraison » arivo izy ireo ao anatin’iray andro. Marihina fa mbola enta-madinika sy sakafo ihany no aterin’ity « robot » ity.https : //www. youtube. com/watch ? v=Ex35sNrYnU4

Laisser un commentaire