SocialTatitra

France : Lehilahy iray maty vokatry ny tifitra nahazo azy

Lehilahy iray manodidina ny roaplo taona eo no maty voan’ny bala, tao an-tapom-tanànan’i Marseille, ny alain’ny alahady ifoha alatsinainy. manodidina ny tamin’ny 1ora maraina tany an-toerana, tonga tao amin’ny lalan’i Joliette, boriborin-tany faharoa any an-toerana ireo mpitandro filaminana. Tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo anefa, dia ny vatana mangatsikan’ity lehilahy ity sisa no hita, izay nahita diam-bala maherin’ny folo, tamin’ny fitaovam-piadiana, sokajiana ho petits sy gros calibres irony na kalachnikov. Raha ny angom-baovao nataon’ireo tomponandraikitra moa, dia olona efatra no hita nandositra taorian’ny nisehoan’ny tranga ary avy eo hita nirehitra tany amin’ny borboritany fahaefatra ny fiara nandosiran’izy ireo, raha ny voalaza hatrany.

Laisser un commentaire