ActualitésTatitra

France : Zazalahy roa taona no noteren’ny olona nitaiza azy hihinana maloto

Olona enina, 26 hatramin’ny 31 taona no miroso teo amin’ny fitsarana avo tao avaratra manoloana ny tranga fametavetana sy herisetra tamin’ny zaza 2 taona. Raha hiverenana ny tranga dia renim-pianakaviana iray no nanome ny zanany notaizana mpifankatia iray antsoina hoe Coraline R. sy Sébastien B. rehefa tsy maintsy notanana am-ponja vonjimaika. Marihana fa mpiantoka na « marraine » ny zaza io vehivavy io.

Taorian’ny lanonana nikarakaran’ireo mpifankatia ireo dia nanao herisetra tamin’ny zaza izy ireo. Ankoatran’ny vono nahazo azy dia nampihinanana maloto, nilelaka kiraro sns ihany koa io zaza io. Ny renin’ny zaza no nitondra azy tany amin’ny hopitaly rehefa afaka ny fiazonana vonjimaika azy. Nametraka fitoriana kosa ny tenany ary fantatra fa nisy mpifankatia iray hafa nanatrika ny lanonana nanampy an’i Coraline R. sy Sébastien B. nampijaly ny zaza. Olona fahaenina tafiditra ao amin’ny raharaha kosa ny rahavavin’i Coraline R. izay tsy nandray fepetra manoloana ny zava-nisy.

Marihana fa 30 taona an-tranomaizina no mety ho sazin’ireo olona 4 tena nampijaly ny zaza ireo. Taorian’ny nahazo azy kosa dia nampidirina tao anaty « coma artificiel » ilay zazalahy. Amin’izao fotoana kosa dia raisin’ny « famille d’accueil » an-tanana izy.

Laisser un commentaire