ActualitésTsidika

Poeta : Inona no niavan’ny anarana hoe Bolespara ?

Teraka ny 29 jolay 1901 tao Alakamisy Ambositra i Bolespara na i Rafanoharana. Mpanoratra, poeta ary mpampianatra izy. Ramangarivo avy ao Ambohimasina Betafo no rainy, ary Rasaomanandafy no reniny.

Rasoamiaramanana no anarana nomen’ny ray aman-dreniny an’i Bolespara azy. Ny Rafanoharana kosa dia avy amin’ny tapaky ny anaran-draibeny Rainizafifanoharana izay nasalotra azy teo amin’ny faharoa ambin’ny folo taonany. Ny Bolespara indray dia amin’ny teny hoe « paraboles » izany midika hoe « fanoharana » amin’ny teny malagasy ary navadika ho « lobus para » ka nahazoana io anarana diam-peniny io.

Laisser un commentaire