Manan-karena valanjavaboahary isika eto Magasikara
Tafiditra ao anaty karazana faritra arovana misy eto Madagasikara ny valanjavaboahary. Faritra iray an-tanety na an-dranomasina, izay natokana mba ahafahana miaro ireo karazan-javamaniry sy karazam-biby ao aminy.
« Azo tsidihina ny valanjavaboahary ary ny vola azo amin’ireny mpitsidika ireny no entina mampiodina ny asa fiarovana azy » hoy ny ao avy ao amin’ny Madagascar National Parks (MNP). Tafiditra tanteraka ao anatin’ny natiora rahateo ny fitsidihana atao izany hoe sady hanabeazana no hianarana no hitsangatsanganana no hanaovana fizahan-tany ka tsy manimba na mandoto ny tontolo iainana manodidin fa kosa manaja ny fomban-tany misy.
Isan’ny valanjavaboahary arovana ny any Marolambo izay any atsinanan’i Madagasikara ary mandrakotra faritra maromaro toy i Vatovavy-Fitovinany, Vakinakaratra sy Amoron’i Mania. Misy harena maro ao aminy ary isany ny zava-maniry misy karazany 324 indrindra ireo atahorana ho lany tamingana toy ny palissandres. Eo ihany koa ireo karazam-biby toy ny varika miisa 10 karazana, karnivora 4, karazam-borona 13, karazana biby mandady 2, karazany 3 amin’ny amphibiana, karazan-trondro endemika 4 any an-toerana.
Ny MNP manokana izao dia mitantana valanjavaboahary miisa 27 manerana an’i Madagasikara ka ny 8 amin’ireo no any an-dranomasina toy ny Nosy Hara, Nosy Tanihely ary Nosy Ve Androaka, Lokobe, Kirindy Mite, Sahamalaza, Masoala ary Mananara.
Tsara raha miezaka mamantatra ny harena misy eto amin’ity nosy malalantsika ity isika, fa tsy sanatria ny vahiny indray no hahita mialoha izany mihoatra antsika tompon-toerana.
Nicole Rafalimananjara
