Ambohimangakely : Afaka 38 andro dia hikatona ny fisoratana anaran’ny mpandray anjara amin’ny SSMAF
Isan-karazany ireo taranja afaka handraisana anjara mandritra ny SSMAF andiany fahatelo izay hotanterahina eny Ambohimangakely. Misy ireo lalao izay natokana ho an’ny olon-tsotra, lalao azo ataon’olon-tokana anefa misy ihany koa ireo lalao hiraisana. Tsy latsa-danja amin’izany ihany koa ny orinasa, misy ireo taranja isan-karazany azo handraisana anjara. Hifarana tsy ho ela ny fisoratana anarana amin’ny fandraisana anjara.
« Mbola malalaka ny toerana ary tena tsy misy ny isa voafetra fa afaka mandray anjara avokoa ny olona rehetra. Hifarana ny faran’ny volana jona izao ny fisoratana anarana ho an’ny mpandray anjara. Marihina fa tsy anavahana ny fandraisana anjara fa ireo rehetra manana talenta sy tia challenge dia efa afaka misoratra anarana avokoa », hoy ny Tompon’andraikitry ny hetsika.
Ny volana jolay izao no hanomboka ny SSMAF saingy amin’izao fotoana izao dia efa misy ny lalao « Challenge SSMAF Zah » izay hifanarana ny 31 mey izao izany. Ankoatra ny « challenge » dia mbola maro ireo hetsika ho hita mandritra ny SSMAF izay hatomboka ny 15 jolay ary hifarana ny 16 septambra 2023 izao.
Miora Raharisolo
