Vontovorona : Tonga nijery ireo mpianatra may trano tao amin’ny Bloc 15 ny Minisitra
Dépêche 10 janvier, 14h, Raha tsiahivina dia nisehoana fahamaizana ny tranon’ireo mpianatra ao amin’ny Bloc 15 ao Vontovorona ka maro ireo mpianatra no very fananana tamin’izany. Nijery izany teny an-toerana ny Minisitry ny Fampianarana ambony ka tonga nanolotra fanampiana kidoro 22, vary 10 gony, vilany 22 isa, kahie 2 baoritra, stylo, « porte vue » 52, « rame de papier » 2 baoritra, arotava ary valopy ho fanampiana. Zava-dehibe indrindra ny fijerena manokana ny ahazoana indray ireo taratasim-panjakana saropady toy ny « diplôme » izay may tamin’iny fotona iny ho an’izay voakasik’izany.
