OMAPI : Hamporisihina ihany koa ny vehivavy anatin’ny famoronana
Dépêche 27 avril, 13h, Nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fizaka-manana ara-tsaina isaky ny 26 aprily 2023 teo no nanomezana lanja ny vehivavy hiditra amin’ny tontolon’ny famoronana ihany koa. Marihina fa efa betsaka ireo olona no tonga mametraka ny asa famoronany eny anivon’ny Ofisy malagasy misahana ny fizaka-manana ara-indostria (OMAPI). Ny ankamaroan’izy ireny dia ny lehilahy noho ny fironana izay nitoetra hatyramin’ny taonjato faha-19 tany. Zary lasa miafina ireo vehivavy marani-tsaina amin’ny famoronana ka izany no hanentanana azy ireo indray hampiseho ny fahaizanay. Anatin’izany indrindra no hanentanana ny vehivavy hamorona ihany koa. Ny tanjona hisian’ny OMAPI moa dia ny hiarovana sy hampitomboana ny famoronana tsirairay. Mandray antanana ireo iharan’ny fangalarana ny asa-tanany ihany koa n yeo anivon’ny OMAPI ka izany idnrindra no hanentanana ny tsirairay amin’ny fanoratana izany.
