Ambohimanambola: Misy fanitsiana ny fakana vola ho an’ny service Raoka fako
Ao anatin’ny fandaminana sy fanatsarana ny tolotra ho an’ny mpanjifa ny servisy Raoka fako ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, amin’izao fotoana izao. Ao anatin’izany, misy ny fanitsiana eo amin’ny fakana ny vola isan-tokatrano, araka ny voalaza.
« Ovaina ho isaky ny herinandro voalohan’ny volana indray ny fotoana fitakiana ny saran’ny fakana fako isan-tokatrano manomboka ny volana may izao. Natao izany mba ho fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra omena ny mpanjifa hatrany » hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny service.
« Zava-dehibe ny fikatsahana ny fanatsarana ny tolotra hatrany, ary ao anatin’izany mila manao ezaka indrindra ireo tomponandraikitra maka ny fako satria misy ny fotoana tsy misy maka ny fako ka miangona. Tokony hifanaraka hatrany ny tolotra sy ny fitakiana vola atao » hoy i Fanja, mponina ao Ambohimanambola.
Anisan’ny tombony lehibe ho an’ny mponina ny fisian’ny servisy raoka fako, mandamina sy mandrindra ny fako ao amin’ny fokontany Gara Ambohimanambola. Manomboka amin’ny sarany 1000 ariary isan-kerinandro moa izany.
Manitra R.
