Talata Volonondry : Hefitra 3 tao amin’ny EPP Avaratsena no notokanana
Tontosa soa aman-tsara ny fitokanana ny hefitrano miisa 3 tao amin’ny EPP Avaratsena, kaominina Talata Volonondry. Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina, ny Zap, ny talen-tsekoly sy ireo mampianatra ary ireo ray amandreny sy ny sefo fokontany no nahatontosana izany, araka ny voalaza.
« Tsy tontosa ny fanamboarana sy ny fanavaozana izao efitranon’ny sekoly izao raha tsy teo ny fandraisanana an-tanana avy amin’ireo tompon’andraikitra isa’isany sy ny fiaraha-miasa tamin’izy ireo ka dia hananterana ny fisaorana hatrany” hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny sekoly.
« Anisan’ny manome endrika ny sekoly ary mendrika an’ny zaza malagasy izao fanaovazana ny sekoly izao. Mangataka hatrany moa izahay ray amandreny mba hisy toa izany avokoa amin’ireo sekolim-panjakana isan’ambaratongany eto an-toerana ho fampandrosoana ny fampianarana » hoy i Fanja, mponina ao Talata Volonondry.
Nanotrona izany fitokanana izany tany an-toerana nandritra izany fotoana izany moa ny sefo distrika, ny solotenan’ny MDF, ny sefo Cisco an’Avaradrano. Maniry ny hitohizan’ny fiaraha-miasa hatrany moa ny kaominina ho fahombiazana amin’ny fampandrosoana.
Manitra Ramanantsoa
