ActualitésTatitra

Comores : Nahazo ny fitantanana ny vondrona afrikanina ihany i Azali Assoumani

Efa ho heritaona i Kenya sy Comores no niady ho an’ny toeran’ny filohan’ny vondrona afrikanina. Manoloana ny fialan’i William Ruto an-daharana nefa dia malalaka ny lalana ho an’i Azali Assoumani izay handimby an’i Macky Sall ary hisahana ny fitantanana ny vondrona manomboka ny volana febroary 2023 izao.

Raha tsiahivina dia ny 13 desambra teo nandritra ny fivoariana Etats-Unis-Afrique tao Washington no nanamafisan’ny filohan’i Comores ny firotsahany ho mpitantana ny vondrona afrikanina. Niresaka momba ny raharaha anatin’ny fireneny sy ny fifandraisany amin’i France ihany ko io filoha io nandritra izany. Raha tsiahivina dia firenena 49 isa no nasain’ny filoha Joe Biden tamin’io fihaonana io, tafiditra tao anatin’izany i Madagasikara.

Laisser un commentaire