Dépêches

Manjakamiadana : Trano miisa 850 tafo hatahorana mafy

Dépêche 22 décembre, 14h, Vanim-potoan’ny fahavaratra toy izao no miteraka loza maro ho amin’ny olona mipetraka amin’ny toerana avo. Vokatry ny habetsaky ny rotsak’orana ziany izay mandoaka ny tany. Nanamabara ny avy ao amin’ny BNGRC fa mahatratra 850 tafo ny trano tandindomin-doza eny amin’ny vohitr’i Manjakamiadana. Tsy ny eny irery ihany anefa no hatahorana fa miisa 690 kosa ireo any amin’ny faritra hafa eto Antananarivo. Hisy araka izany ny fepetra ho raisina ka hametrahana saina mena amin’ireo toerana tandindomin-doza ireo. Mila mailo sy mitandrina hatrany ireo olona izay tafiditra amin’izany amin’ny fikarohana vahaolana samihafa hialana amin’ny loza mety hitranga.

Laisser un commentaire