Vaksiny Covid-19: Tetika iray hisintomana mpizahatany ao Nosy be
Dépêche 08 novembre, 11h30, Toerana iray efa nahasarika mpizahatany maro hatrizay i Nosy Be noho ireo zava-boahary maro izay hananany. Noho ny fikatonan’ny sisin-tany tamin’ireny valan’aretina COvid-19 ireny dia nihena izany mpizahatany tonga tao antoerana izany. Mba hampiakarana izany isa ziany dia manao ny ezaka rehetra ireo mpisehatra, anisan’izany ny fanentanana ny mponina hanao vaksiny miady amin’ny covid. Efa miisa 18 535 amin’izao fotoana ireo olona nahavita vaksiny ao an-toerana ary mbola entanina hatrany ireo olona sasany. Ny tanjona amin’izany moa dia ny mba hananan’ireo mpizahatany toky fa voaaro izy rieo raha tonga ao. Samy resy lahatra amin’izany avokoa moa ny olona rehetra. Ity vaksiny ity izay tsy tokony ho ny any nosy Be irery no manatanteraka azy fa ny olona rehetra tsy ankanavaka mihitsy
