Sosialy : Efa manomboka ny programa « vary tsinjo m’fety »
Dépêche 22 décembre, 15h, Ny Ministeran’ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana miaraka amin’ny Orinasa State Procurement of Madagascar no miara-misalahy manatanteraka ity hetsika ity. Amin’izao ankatoky ny fety izay mampitombo ny filàna izao dia natsanjana ny hetsika « vary tsinjo m’fety » ka 650ariary ny kapoaka eny amin’ny mpivarotra mpiara-miomon’antoka. Nahazo ny najarany voalohany tamin’izany i Alasora By Pass, Ambohidahy Ankadindramamy ary Manjakaray. Tsy hijanona amin’izany irery fa hiparitaka ity hetsika ity hahafahan’ny rehetra manao fety am-pilaminana. Etsy andaniny anefa dia manao fitsidihina matetika eny anivon’ny tsena eny hatrany ny avy ao amin’ny Ministera hijerena ny vidin’entana ary entaninahatrany ihany koa ny olom-pirenena hitatitra raha mahita tranga fiakaran’ny vidin’entana.
