Angovo: Hihamafy ny fahatapahan’ny herinaratra ho an’Analamanga
24 Janoary, 11h00. Hitohy hatrany ny fahatapahan-jiro eto Antananarivo sy ny manodidina. Tapaka ny lalam-pirenena faharoa izay miteraka ny fahataran’ny famatsiana menaka mavesaka eto Antananarivo. “Tsy misy fitehirizana eto Antananarivo fa avy any amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Izay tonga anefa dia ampiasaina amin’ny famokarana herinaratra avy hatrany” hoy ny avy ao amin’ny JIRAMA. “Misedra olana ny lafiny famokarana herinaratra tato anatin’ny herinandro vitsivitsy lasa izay noho ny fiatoan’ny toby famokarana ao Andekaleka. Ity farany anefa no miantoka ny iray ampahatelon’ny herinaratra vatsiana eto amin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo. Manampy trotraka izao fahatapahan’ny lalam-pirenena faharoa izao” hoy hatrany ny avy ao amin’ny JIRAMA. “Tena tokony hitady hevitra hatrany ny JIRAMA ho amin’ny herinaratra. Tena ilaina amin’ny andavanandro ny herinaratra ka tsy tokony ho atao ambanin-javatra” hoy i Rova, mponina ao Ambohimanambola. Ny herinaratra mamatsy ny hopitaly sy ny toeram-pitsaboana aloha no tena laharam-pahamehana ho an’ny orinasa. Mila miomana amin’ny fitombon’ny tsy fahampian’ny herinaratra arak’izay ny rehetra.
