Anosy Avaratra: Vohin-kava mahatratra
Fianakaviana iray no tena voa mafy tao amin’ny Fokontany Isahafa Anosy Avaratra eto Avaradrano. Nankahery ny fianakaviana ny avy ao amin’ny Kaominina izay notarihan’ny Ben’ny tanàna. « Nanolotra fanampiana ho an’ny fianakaviana ny avy ao amin’ny Kaominina. Nitondra teny fankaherezana ihany koa izy” hoy i Lanto, mponina ao Isahafa. “Tsy hay ny hijery fotsiny ny fahavoazana teto an-tanàna. Hanao arak’izay vita ny kaominina. Mankahery antsika rehetra amin’izao vanim-potoana izao. Hamboarina avy hatrany ihany koa ny lalana fandehanan’ny mpandeha an-tongotra fa tena malama loatra” hoy ny Ben’ny tanàna ao Anosy Avaratra. “Tsy maintsy mandray andraikitra ny fitondrana amin’ny maha raiamandreny azy. Azontsika mpiara-belona ihany koa anefa ny mifanampy sy mifanohana ary mifankahery manoloana izao andro ratsy izao” hoy i Fenitra, mpahay fiarahamonina. Vohin-kava mahatratra tokoa. Ny erikerika mahatondra-drano ka raha manome kely araka izay vita avokoa ny olona ho an’ireo tena voa mafy noho ny andro ratsy dia efa be izany.
