Stand Up : Voalohany tamin’ny fifaninana i Tsiresy
Ao anatin’ny fankalazana ny SSMAF, izay nokarakarain’ny BTC etsy Ambohimangakely, tontosa soa aman-tsara ny sabotsy teo ny famaranana ny fifaninanana « Stand Up ». Mpifaninana 5 mianadahy no nandray anjara tamin’ny fifaninana izay vehivavy ny iray tamin’izy ireo. I Tsiresy no nahazo ny laharana voaloahany, i Harthur no teo amin’ny laharana faharoa ary Herintiana no fahatelo.
« Isaorana manokana ireo mpandray anjara tamin’ny fifaninanana « Stand Up » izay tontosa soa aman-tsara ny Sabotsy lasa teo. Isaorana ihany koa ireo mpanohana rehetra. Faly tokoa izahay mpikarakara ary mampanentena fa tsy ho latsa-danja ny niseho ny asabotsy teo ny amin’ireo fifaninana hafa mbola hiseho ato anatin’ny SSMAF » Hoy i Tata, mpikarakara
« Anisan’ny mahafinaritra ilay hetsika no sady mahaliana. Izaho manokana nahafantatra karazana fifaninana hafa ankoatra ireo tsy hita amin’ny fiainana andavan’andro sady tsy hita amin’ny tele ihany koa. Misy azo hianarana tsara no sady mampiala voly no manitara saina ihany koa » hoy i Njiva, mpianatra.
Ny hetsika SSMAF moa dia mbola mitohy hatrany ary seho maro azon’ny rehetra handraisana anjara no karakaraina ao entina hanomezana vahana ireo mpanan-talenta sy sangany eo amin’ny fifaninana hataony. Mandritra ity volana septambra ity no hisehoan’izany eny Ambohimangakely.
Manitra Ramanantsoa
