Vola vahiny : Fitanàna kaonty ho an’ny vola vahiny
Dépêches 14 septembre, 13h, Nahitsy ny lalàna manome alalana ny olona rehetra hanana kaonty hikirakirana vola vahiny ka natokana ho an’ny sokajin’olona voafetra izany fa tsy ho an’ny daholo be intsony. Misy amin’ireo olona manana izany kaonty izany no mitahiry vola betsaka loatra ao antiny kanefa mety hampiakatra ny sandan’ny ariary izy io raha hampiasaina eo amin’ny sehatry ny tsenam-bola iraisam-pirenena.
