ActualitésTsidika

OBS Mada : Fikambanana mijery ireo tranga mampiahiahy eny anivon’ny fiaraha-monina

Maro ireo trangam-piarahamonina hita sy re ary mampiahiahy, saingy rehefa zohiana dia mijanona amin’ny raharaham-pihavanana izany, na tsy misy tohiny fa avela fotsiny. Ireny tranga ireny indrindra nio tilian’ny OBS Mada. Anisan’ny distrika ahitana izany tranga izany matetika i Betafo ka nahatonga ny OBS Mada hiasa ao anatin’io faritra io. Raha tsiahivina dia tranga vao haingana niseho ny fanolanana zaza mena vava vao 7 volana monja naholana tovolahy kely 15 taona nefa dia novitaina tamina resaka raharaham-pihavanana.

« Ny zavatra toy ireny mihitsy no andrasana aminay firaisamonim-pirenena mba hisian’ny firindrana eny amin’ny tontolo rehetra eny » hoy I Fenofitondrana Rakotozanakajy, mpandrindra ny tetik’asa tao Antsirabe nandritra ny « playdoier » natao tany amin’ny distrikan’i Betafo. « Hanala anay amin’ny tahotra sy ny tsy fahasahiana miteny izao tetik’asa izao, manombka eto tsy hisy ho afa-maina intsony amin’ny asa ratsy nataony ny tsirairay » hoy i Hery, mpisitraka ny tetik’asa.

OBS Mada izao no manao ity fitiliana eny anivon’ny fiarahamonina ity amin’ny lafiny fanolanan-jaza. Ireo karazana trangam-piarahamonina rehetra koa dia ilaina hojerena sy harahamaso.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire