ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Mizotra ny fanamboarana ny tetezana ao Tsarahasina

Ao anatin’ny fanamboarana tanteraka ny tetezana mampitohy ny fokontany Tarahasina syny fokontany Ambatotokana, ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina Ambohimangakely amin’izao fotoana. Mizotra amin’ny antsakany sy andavany ny fanatanterahana ny asa, araka ny voalaza.

« Anisan’ny antoka mampisy ny fandrosoan’izao asa izao ny fiaraha-mientan’ny kaominina sy ny fokonolona amin’ny fanamboarana ity tetezana ity. Izao no atao ihany koa dia mba hanamorana ny fivezivezen’ny mponina, indrindra ireo mpianatra » hoy ny avy amin’ny kaominina.

« Foto-drafitr’asa tena ilain’ny vahoaka ny tetezana tahaka izao. Hiankinan’ny andavanandrom-piainany ihany koa io satria maro ireo mivezivezy, indrindra ny mpianatra. Mampisy fifandraisana eo amin’ny fokontany roa tonta » hoy i José, mponina ao Tsarahasina.

Ankoatra ny fanamboarana tetezana izao, mangataka ihany koa ny mponina amin’ny tokony hanamboarana ireo lalana amin’ny faritra hafa, izay manano sarotra sy mampidi-doza ny hafa ny haratsin’izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire