ActualitésTsidika

Kidodo : Dihy Betsileo miaraka amin’ny hira misy gadona samihafa

Ny kidodo dia dihy Betsileo miaraka amin’ny hira izay misy gadona samihafa, fa ny gadon-kira no arahan’ny mpandihy fa tsy ny fidoboky ny romy na ny aponga.

Migadona tany mifandimby sy mirindra ny tongotra roa ka atao heno tsara ary ny haika ataon’ny lehiben’ny tarika no manamarika ny fiovan’ny gadona sy mamarana ny dihy. Ampandihizina ny sandry sy adoladola ny loha ary avelatra sy atsipitsipy ny tanana; izany no atao hoe « vela-tanana ».

Azo atao amin’ny fifaliana ny kidodo ha Horija no anaran’ny hira, raha amin’ny fahoriana kosa dia Isa gasy no iantsoana azy.

Anehoana fomba amam-panao andavan’andro ny kidodo. Maro karazany izy io to any kidodo tsotra, kidodo-tsoavaly, kidodo varim-bato, kidodon-drazana (olon-dehibe) ary ny kidodon’apela.

Jejo voatavo, kabaosy, katraika na korintsana, aponga na romy no zava-maneno ampiasaina amin’ny kidodo.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire