CultureTatitra

Indonésie : « Rafflesia arnoldii », voninkazo lehibe indrindra eran-tany

Karazana zava-maniry katsentsitra ao amin’ny fianakavian’ny « rafflesiaceae » ny « rafflesia arnoldii ». Ao Asie atsimo, indrindra ao Indonésie no tena ahitana azy. Ny mpandinika ny zava-boary britannique antsoina hoe Joseph Arnold sy Sir Stamford Raffles no nahita ka nanome azy ny anarany ny 19 may 1818.

Ny « rafflesia arnoldii » no voninkazo lehibe indrindra eran-tany. Tena miavaka ihany koa izy noho izy tsy misy raviny, fakany ary tsorakazo. Toy ny « arum titan » dia mamoaka fofona ratsy manintona lalitra « chrysomyia megacephala » io voninkazo io izay miantoka ny vovobony (pollinisation).

Laisser un commentaire