Europe : Ho atsahatry ny TotalEnergies ny fividianana solika ao Russie
Tao anaty tatitra nataon’ny TotalEnergies dia nanazava izy ireo fa manoloana ny toe-draharaha ao Ukraine sy ny fisian’ny loharano hafa ahafahana mamatsy ara-tsolika an’i Europe dia nanapa-kevitra ny TotalEnergies fa tsy hifanaraka ary tsy hanavao ny fifanarahana famatsian-tsolika avy ao Russie intsony. Tanjon’izy ireo ny tsy hiankin-doha amin’i Russie intsony hatramin’ny faran’ity taona 2022 ity farafaha-tarany.Manoloana izany dia hikaroka famatsiana hafa ny orinasa, anisany izany ny famatsiana avy ao Pologne ho an’ny fanadiovan-tsolika ao Leuna ao Allemagne. Efa nifampiresaka tamin’i Russie amin’izany fialana izany moa ity orinasa ity. Raha tsiahivina dia efa nanomboka ny taona 90 no niara-niasa ara-tsolika i Russie sy ny TotalEnergies.
