SocialTatitra

Afghanistan : Noferan’ny Taliban tsy hiditra an-tsekoly indray ny ankizivavy

Nivadika tamin’ny fanekena nataony ny Taliban. Rehefa nifanarahana fa omaly 23 martsa no tokony niverina an-tsekoly indray ireo ankizivavy tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa tamin’ny faritra rehetra ankoatra an’i Kandahar dia nolavin’ny Taliban indray izany. Nibaiko ny fanakatonana ireo sekoly ho an’ny vehivavy izy ireo ora vitsivitsy taorian’io andro fisokafana io ihany.Tsiahivina fa efa 7 volana izao no teo amin’ny fitondran’i Afghanistan ny Taliban. Tsy hanokatra ny sekoly ho an’ny fifalian’ny komity iraisam-pirenena na mba ahazoana ny fankasitrahana avy amin’izao tontolo izao izahay hoy ny mpitondra tenin’ny minisiteran’ny fampianarana ao an-toerana, Aziz Ahmad Rayan. Tsy ny faritra rehetra ao amin’ny firenena nefa no vohakasik’io fanampahan-kevitra io hoy ny Sonia Ghezali, mpanao gazety ao Islamabad.

Laisser un commentaire