ActualitésTatitra

Corée du Nord : Namerina ny « réaction nucléaire” indray i Corée hoy ny AIEA

Manahy ny fanohizan’i Corée du Nord ny fandaharan’asa fampandrosoana nokleariny ny AIEA na ny «Agence internationale de l’énergie atomique». Namerina nampiasa ny « réacteur » mpamokatra «plutonium» ao amin’ny toby noklearin’i Yongbyon izy ireo raha ny fanazavana.

Efa nanomboka tamin’ny volana jolay teo no ny ahiahin’ny tompon’andraikitra noho ny fisian’ny famoahana rano fampangatsiahana fampiasana amin’ny «réacteur». Tsiahivina fa ny volana desambra 2018 teo no natsahatra ity fandaharan’asa fampandrosoana noklearin’i Corée du Nord ity nandritra ny filan-kevitra nataon’ny firenena fikambana.

Laisser un commentaire