SocialTsidika

Talata Volonondry : Vita ny EPP Ambohibary

Voatsangana soa aman-tsara ny EPP Ambohibary Talata Volonondry ho an’ireo mpianatra niaina ny fahalaviran’ny trano fianarana taloha. Niara-nisalahy tamin’ny fananganana ny sekoly ny Kaominina sy ny Governoran’ny faritra Analamanga sy ireo ZAP ary CISCO ary mpiara-miombon’antoka maro.

Faly ireo ray aman-dreny satria teo aloha mandeha dian-tongotra lavitra ny zanany vao mahita sekoly fa izao kosa efa azo lazaina ho nanakaiky azy ireo ny sekoly. « Taloha ny zanakay no nanatona sekoly fa izao ny sekoly mihitsy no manatona anay koa mankasitraka indrindra » hoy i Alfred, mponina ao Ambohibary. « Amin’ny maha ray amin’ny maha raiamandrenin’ny tanàna dia raisiko ho andraikitra ny fanampiana azy ireo ka izany no isany nampanantenako azy ireo ny hanangana sekoly mba hianaran’ireo mpianatra » hoy ny Ben’ny tanàna Talata Volonondry, Randrianirina Hoby Herison. « Ny fianarana no lova tsara indrindra ary ireo ihany no ho reharehan’ny tanàna avy eo ka tena mendrika mihitsy raha ho tolorana fanohanana » hoy ny Governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hajaina Hery izay nanolotra dabilio sy latabatra hiaran’ny ankizy tao amin’ny EPP Ambohibary.

Mirary soa ho an’ireo mpianatra rehetra any mba hahaleo hahalasana sy ho tafita mba ho reharehan’ny ray aman-dreny sy reharehan’ny tanànantsika. Ary hirariana mba samy hahay hanaja ny fanana iombonana ny mpampiasa ny sekoly ka hitsinjo ny mpianatra ho avy manaraka.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire