SocialTatitra

Nigéria : Am-polony tamin’ireo mpianatra nalaina an-keriny no navotsotra

Mpianatra am-polony tao amin’ny sekoly musulman Salihu Tanki nisy naka an-keriny ny volana mey teo no navotsitra ny alakamisy teo hoy ny talen’ny sekoly Abubakar Alhassan. Tsy nanome fanazavana momba io famotsorana io izy na mahakasika ny sandan’ny vola naloha tamin’izany saingy nilaza kosa fa nisy 6 maty tamin’ireo ankizy 136 nalaina an-keriny ireo. 15 tamin’ireo ihany moa no fantatra fa tafatsoaka ny volana jona teo. Tsiahivina fa jiolahy 300 mitam-piadiana no nanafika ity tanànan’i Tegina ao amin’ny fanjakan’i Niger ity 3 volana lasa izao ka naka an-keriny ireo ankizy ireo atao takalon’aina.

Laisser un commentaire