Anjeva : Jiolahy mpamaky trano sy mpanao halabotry tratran’ny mpitandro filaminana
Jiolahy roa lahy, mpamaky trano sy mpanao halabotry ary mpamaky fisoko sy lakozia no voasambotry ny zandary ao amin’ny poste avancé Anjeva gara. Araka ny voalaza, efa naharay fitarainana mahakasika ny vaky trano ny avy eo anivon’ny zandary ny herinandron’ny 19 oktobra, avy amin’ny tsara sitrapo ka nahatonga ny zandary hanao ny vela-pandrika avy hatrany.
« Maro ny trangana tsy fahandriam-pahalemana mety hiseho eny anivon’ny fiaraha-monina. Tsy mitsahatra ny manao ezaka anefa ny avy ao amin’ny mpitandro filaminana hamongorana azy ireny. Ilaina ny fiaraha-miasa avy amin’ny mponina araka izany izay mahita na mahafantatra mahakasika ireny tranga ireny fa mijanona tsiambaratelo avy hatrany ny momba ny loharanom-baovao » hoy ireo mpitandro filaminana.
« Zava-dehibe ny ezaka hataon’ny mpitandro filaminana mahakasika ny fahandriam-pahalemana. Tokony ho mailo hatrany anefa ny rehetra manoloana ny zava-misy amin’izao fotoana izao, ary tokony miray hina hanenjehana ny tsy rariny. Etsy ankilany, tokony ho enjana ny sazy omena izay tratra tahaka izao mba hahay ny mpanao ratsy hafa » hoy i Gina, mpianatra momba ny siansa.
Tokin’ny vahoaka ny fahitana ny ezaka hataon’ny mpitandro filaminana amin’ny famongorana ny asa ratsy isan-karazany. Ilaina araka izany ny fiaraha-mientana eo amin’nu vahoaka sy ny mpitandro filaminana mba hamongorana tanteraka ny asa ratsy isan-karany. Tokony hatao izany mba ho filaminana ho an’ny rehetra.
Manitra Ramanantsoa
