Etats-Unis : Diosezy iray ao New-York no arahan’ireo manam-pahefana maso akaiky
Voarohirohy matetika amin’ny fanararaotana ara-nofo ireo pretran’ny fiangonana katolika ao Etats-Unis. Anisan’ireo ahihiana misy izany trangan-javatra izany ao amin’izany ny diosezin’i Buffalo ao New-York. Manoloana izany dia manara-maso akaiky ireo pretra ny polisy sy ny ny fitsarana ao an-toerana.
Raha tsiahivina dia efa voarohirohy tamin’ny fanararaotana ara-nofo tamin’ny ankizy tsy ampy taona ny evekan’i Buffalo taloha, Mgr Richard Malone izay niala ny taona 2019. Efa diosezy valo ankoatran’i Buffalo kosa nanaovan’ireo manam-pahefana fanadihadiana tao New-York noho io antony io ihany. Tsy misy ambonin’ny lalàna hoy ny mpampanoa lalàn’ny fanjakana Letitia James. Nilaza izy fa miara miasa amin’i Kathleen McChesney, mpiasan’ny FIB taloha nisahana manokana momba ny fanararaotana ara-nofo tany amin’ny toeram-pivavahana katolika izy ireo.
