ActualitésTsidika

Centrafrique : Nametra-pialàna ny Praiminisitra

Nilaza ny fametra-pialàny tany amin’ny Filoham-pirenena any Centrafirque, Faustin-Archange Touadéra izay voafidy indray tamin’ny desambra lasa teo, omaly Alakamisy 10 Jona ny Praiminisitra Firmin Ngrebada. Tsy izy irery no nametra-piala nandritra izany fa teo ihany koa ny ekipany rehetra. Nanomboka ny 25 Febroary 2019 i Firmin Ngrebada no nandray ny asa amin’ny maha Praiminisitra azy taorian’ny fifanaovan-tsonia mikasika ny filamanana teo amin’ny mpitondra fanjakana sy ny tafika any an-toerana. Nosokajian’ny ONU ho firenena faharoa tsy mandroso indrindra i Centrafrique izay nitondra takaitra tokoa tamin’ny ady an-trano nanomboka ny 2013. Nandritra ny fifidianana farany teo izay nahalany ny Filoha Faustin-Archange Touadéra ny 27 desambra aza dia am-pahatelon’ny mpifidy ihany no tonga nandatsa-bato noho ny fisian’ireo mpigafy any an-toerana.

Laisser un commentaire