PolitiqueTatitra

Angleterre : Manomboka mitsidika an’i Eoropa i Joe Biden

Nihaona nivantana ny Filoha any Amerique, Joe Biden sy i Boris Johnson ny alakamisy 10 Jona lasa tany Carbis Bay any atsimo andrefan’i Angleterre. Fihaonana voalohany teo amin’ny roa tonta ary antenaina ny hisian’ny fifanarahana amin’ny « Charte de l’Atlantique » mikasika ny vokatry ny Bexit any Irlande Avaratra. Ny alarobia 9 Jona no efa tonga tany an-toerana ity filoha ity ary hamonjy ihany koa ny fivoriamben’ny G7 manoloana izao aretina sy ny krizy naterany . Horesahan’i Joe Biden mandritra izany ihnay koa ny hanomezan’i Amerique ny vaksiny 500 Tapitrisa fatra amin’ny Pfizer/BioNTech izay vita avy any an-toerana ho an’ny firenena marefo amin’ny fanaovam-baksiny miisa 92. Ny alahady aorian’izay indray i Joe Biden no hitsidika an’i mpanjakavavy Elizabeth II any amin’ny lapany. Ary hamonjy ny fivoriamben’ny OTAN sy fivoriana hafa miaraka amin’ny Union Européenne.

Laisser un commentaire