ActualitésTsidika

Ny fahazahoan-dalana mifehy ny fifamoivozana

Mbola maro amintsika eto Madagasikara no tsy mahafehy ny lamina apetraky ny fitondram-panjakana, mifehy ny fifamoivozana eto andrenivohitra. Mirona tanteraka any amin’ny fampiasana ireny moto ireny ny ankabeazan’ireo izay tsy maintsy mifamevivezy mba ialàny amin’ny fitohana’ny fiara. Ilàna fahazoan-dalana  sy fianarana manokana anefa ny fitondrana azy ireny mba ampilamina ny fifamoivozana sy ianarana ny fitsipika mifehy ny fampiasana lalam-be. Araka ny fanontaniana napetraka tamin’ireo polisy misahana ny fisavana ireny fahazoan-dalana mitondra fiara na moto ireny anefa, dia milaza izy ireo fa tsy manana izany ny ankamaroan’ireo mpitondra moto, raha misy kosa anefa ireo izay manana sy manaraka ny lalàna soamantsara. Misy anefa ireo tsy mahafantatra akory ny lalàna mifehy ny fifamoivozana, izay antony iray mahatonga ny lozam-pofamoivozana matetika.

Nathalia Rasoarilala

Laisser un commentaire