Efa miomana amin’ny ho fisokafan’ny sisin-tany amin’ny volana Oktobra ireo mpisehatra eo amin’ny fizahan-tany
Lohahevitra maro no nodinihina Nandritra ny fihaonan’ny mpandraharaha mampiasa ny teny frantsay na ny REF sy ny sehatry ny fizahantany izay notanterahina tao Frantsa ny herinandro lasa, ary nandraisan’i Madagasikara anjara tamin’ny alalan’ny Filoham-pirenena Malagasy sy ireo delegasionina notarihany.
Anisan’ireo teboka lehibe nivohitra Nandritra ny nandraisan’ny Filoham-pirenena Malagasy fitenenana ny hoe « mety ho sokafana ny sisin-tanin’i Madagasikara ny volana Oktobra ho avy izao, saingy miankina tanteraka amin’ny fivoharan’ny valan’aretina covid-19 any amin’ny firenena ivelany izany ». Efa ho roa taona izao raha tsiahivina no nikatonan’ny sisin-tanin’i Madagasikara, ary sokajin’olona vitsy ihany no nahazo nivoka sy niditra ny teto Madagasikara. « Efa mahavelom-panantenana tanteraka izany fisian’ny finiavana ny hanokatra ny sisin-tany izany na dia misy aza ireo fehipetra sy dingana maro tsy maintsy arahina, ny vaksiny miaro raha teo efa azon’ny olom-pirenena tsirairay sitrahina » raha naneho ny heviny i Roger, mpandraharaha misehatra amin’ny fizahan-tany.
Marihina entoana fa an’isan’ireo sehatra nizaka ny mafy tokoa raha ny sehatry ny fizahan-tany noho izany fikatonan’ny sisin-tany izany. Ary manoloana ny lahan-teny izay nataon’ny Filohan’ny Repoblika tany Frantsa iny dia efa ao anatin’ny fihomanana tanteraka ireo mpisehatra amin’ny fizahan-tany ny amin’izany mety ho fisokafan’ny sisin-tany ka hampiroboroboana indray ny sehatry ny fizahan-tany. Manoloana izany indrindra no nanomezana ireo mpiasa sy mpisehatra amin’ny fizahan-tany any Nosy-Be sy Sainte-Marie fihofanana manokana mikasika ny fitsipika sy fepetra ara-pahasalamana matianina hentina handraisana ireo vahiny ho avy hitsidika indray an’i Madagasikara. « Tsara raha omanina sy apetraka mialoha ireo paikady entina handraisana ireo mpizaha tany vahiny na Malagasy mba hisoroana ny mety ho fihanaky ny valan’aretina indray. Izany indrindra no nanomaezana fihofanana manokana mikasika ny fepetra ara-pahasalama tsy maintsy arahina sy hajain’ireo mpisehatra amin’ny fizahan-tany aty Nosy-be sy Sainte-Marie, noho izy ireo anisan’ny toerana tena mahasarika mpizaha tany maro mandava-taona » hoy ireo tompon’andraikitra mpampiofana. Tsy diso anjara amin’izany fanomezana fihofanana izany ihany koa anefa ireo eto amin’ny Faritra Analamanga fa nanomboka omaly Alatsinainy izany fihofanana manokana izany, ary aharitra iray volana.
Mipetraka anefa ny ady hevitra eo anivon’ny fiarahamonina oe, tsy aleo ve aloha tsy maika amin’izany fanokafana ny sisin-tany izany ? Ny akabeazan’ny Malagasy raha teo mbola tsy marisika sy tsy resy lahatra loatra amin’ny fanaovam-baksiny.
Fanja Rakotoarisoa
