ActualitésTsidika

Manandriana : Mivarotra fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary ny kaominina

Manampy betsaka amin’izao fidiran’ny mpianatra izao ny ao amin’ny Kaominina Manandriana Avaradrano amin’ny fivarotana ireo fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary sy mety amin’ny rehetra. Eny anivon’ny biraon’ny kaominina no teorana hanjifana izany ho an’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra.

« Iaraha-mahalala ny fahasahiranana, ny saram-pianarana vita ihany fa eo amin’ny fitaovam-pianarana no tena hita fa miteraka fahasahiranana ho an’ny mpampiana-janaka ka mba hampihenana izany no nanaovan’ny kaominina izao hetsika izao » hoy ny Ben’ny tanànan’i Manandriana. « Mety mihitsy ary tena mankasitraka betsaka ny kaominina izahay amin’izao famarotana fitaovam-pianarana izao, ny eny amin’ny mpivarotra tsotra manko maka tombony be fa ny eto amin’ny kaomina dia mirary sy ambany tokoa ny vidiny raha mitaha ny any amin’ireo mpivarotra ety ivelany » hoy i Feno, mponina any Manandriana Avaradrano. « Tsy atahorana hamono ny tsenan’ny hafa indray ve ny tahaka izao, maninona raha ny vidin’ny fitaovam-pianarana mihitsy no apetraky ny fanjakana ny vidiny iombonana manerana ny tsena rehetra amin’izao hisitraka izany avokoa ny rehetra » hoy ny fanehoan-kevitr’i Dina, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo.

Ilaina tokoa ve ny tetik’asa tahaka izao ? 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire