Anosy Avaratra : Fananganana tsena kaominaly
Manana fikasana hanangana tsena kaominaly ireo tompon’andraikitra rehetra ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra. Ho fiomanana ny asa rehetra amin’ny fananganana izany, dia niara-nidinika izany teo ireo olona rehetra hanao ny asa, omaly.
Ny mpanatanteraka, ny mpanolotsaina, ny delegen’ny boriboritany Anosy Avaratra, ny Zandarimariam-pirenena, ny fahasalamana (CSBII), ny Fokontany dimy, no nanatanteraka izany dinidinika izany. « Tena ilaina be mihitsy izany fikasana izany satria tsy mety ny tsena amoron’arabe, mibahan-dalana fotsiny » hoy Mirana, mponina ao Anosy Avaratra. « Manantena izahay mponina eto amin’ny kaominina Anosy Avaratra fa hisitraka ireo tsena ireo rehefa vita soa aman-tsara » hoy Rado, mpivarotra. Mba ho fahafaham-pon’ny vahoaka dia nanao izao vina izao izahay, ary koa ho fanampiana ireo izay rehetra mampidi-bola amin’ny sehatry ny varotra rehetra.
Mahafaly ny vahoaka tokoa rehefa misy ny fivoarana eo amin’ny tanàna misy azy. Irariana mba ho tontosa soa aman-tsara ny fikasana. Tokony maka tahaka izany koa ireo fokontany sasany maniry ny te hivoatra.
Murielle Andrianasoloniaina
